TANDEM
DEMENAGEUR
Fantatrao ve ny Tandem Déménageur ?
Finaritra,
Fa voasoratra hoe : « ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha … » Jak.3 : 17 madio @ endrika ivelany, izay hitan’ny maso, raisin’ny tanana, fa madio indrindra ihany koa @ fomba amam-panao, @ fisainana sy ny fitenenana, madio amin’ny lafiny rehetra.
Izany Teny izany no tondro-zotran’ny orinasa sy ny mpiasa rehetra ao aminy, ary ezahana mandrakariva ny hihazonana izany na alohan’ny asa na rehefa vita asa.
Ankoatr’izay dia toy ny orinasa rehetra ihany izahay :
- Ny mpanjifa aloha – ary izy irery ihany , ho azy ireo irery ihany – ny ankoatr’izay aoka ho antsika ho amin’ny manaraka.
- Ny entan’ny mpanjifa – misy vidiny aminy io, mety mahita betsaka amin’io isika eny an-tsena fa ity mety hafa mihitsy satria … fahatsiarovana io, na fanomezana io, na fanamarihana tebok’iray teo @ fiainany io … tsy misy eny an-tsena izany.
- Sarobidy ny fotoana, na ho an’ny mpanjifa na ho an’ny mpiasa ihany koa, Malagasy manaja fotoana isika, ary miezaka mandrakariva ny hiala @ ilay atao hoe fotoan-gasy.
Betsaka ny teboka afaka tanisaina entina hanatsarana sy andokafana ny tena, fa aleo hono mahita toy izay tantaraina.
Fa alohan’ny hiantsonao anay, dia tsara ihany ny manamarika fa, ity asa ity dia efa toy ny ra mikoriana aty anatinay ; tsy hoe vao mianatr’asa na hoe manandrakandrana ka hoe manana fiara mpitatitr’entana dia andao hanao « déménagement » – fa misy aminay no efa 30 taona nilomanosana tao – na « national » izany na « international », ka ny traik’efa notovozina tao anatin’izany no mahatonga anay hametraka hoe : tolotra feno ihany no misy ato aminay –« prestation complète – porte à porte », izany no atao dia mba hitsinjovana ny roa tonta, satria sarobidy loatra ny fiarovana ny entan’ny mpanjifa, na fahaverezana izany na fahasimbana, izahay mila mahafantatra fara faharatsiny ny 50% ny entana izay raisinay – indrindra fa ireo anaty baoritra – misy soratra mazava : ohatra – fitafiana, ankizy, misy jiro mora vaky… 😊
Ankehitriny dia mba fantatrao ny sombiny amin’ireto olona ho ampandrosoinao an-trano, handray an-tanana ny fifindranao, hanampy anao sy hanamora ny zavatra rehetra, ary hisafidy anay ianao satria mety aminao ny tolotra omenay na satria atokisanao izahay, fa hisafidy anay ianao satria te ahavita haingana ity fifindrana ity ianao, te hisitraka ihany koa tahaka ireo mpanjifa rehetra efa teo alohanao izany hoe asan’ny TANDEM DEMENAGEUR izany.
Ny teninay farany dia hoe « aza matahotra … fa amin’ny fifaliana no ivoahanareo ary fiadanana no itondrana anareo ».